Efa maro amintsika mpampiasa aterineto no efa nahita ny teny hoe « mème internet » tamin’ireo tranonkala maro isan-karazany na tamin’ny tamban-jotra sosialy, nefa mbola tsy mahalala ny tena dikany. Ao ihany koa ireo efa nahita maro nefa tsy nahalala hoe itony kay izany «mème internet» izany.
Raha ara-piforona-teny, ny hoe « mème » dia avy amin’ny teny anglisy hoe « meme » izay kasinga iray mora fantatra ary ampitaina amin’ny alalan’ny fakana tahaka fihetsika izay ataon’ny olona iray ho an’ny olona hafa. Amin’ny ankapobeny, ny « mème internet » dia sary iray na horonan-tsary izay, na lahatsoratra kely mazàna mahatsikaiky izay miteraka valan-jendana, na « buzz », amin’ireo karazana tamban-jotra maro mampiasa ny aterineto. Entina ampitaina hafatra somary mampihomehy ilay izy rehefa misy tranga iray ka havadika mahatsikaiky dia izay izy no « mème internet ». Ankehitriny àry dia saika ahitana azy ireny avokoa na tambajotra sôsialy, na tranonkala, na bilaogy.