Tena miroborobo ny varotra isan-karazany eo amin’ny tambanjotra serasera facebook ity. Misy ary ny Malagasy izay efa manao azy ity ho asa entina mivelona. Mora tokoa ny mivarotra amin’ny Facebook. Ao ireo izay mandefa ny entany ao anatin’ireo vondrona maro isan-karazany izay natokana hoan’ny varotra, ao ihany koa ny mampiasa ireny antsoina hoe “pages Sponsorisées” ireny. Ity farany izay tolotra manokana, mandoha vola, omen’ny tambanjotra facebook, afahana manaparitaka ny varotra amin’ny olona maro be misoratra amin’ity taman-jotra ity. Nefa na dia mora aza ny varotra misy eo amin’ny facebook dia maro ny olana izay mitranga amin’io karazana varotra io.
- Tsy mitovy amin’ny sary ao anaty doka varotra ny entana aterina
Ito dia tena olana miseho matetika ary mazàna miteraka fifandirana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpividy. Ny sary alefa amin’ny tambanjotra dia sary nalaina tamin’ny tranonkala ka manintona ny olona hividy ilay izy. Marihina fa tsy ny mpivarotra rehetra no manao izany fa nefa olana misy matetika izy io.
- Mifangalatra sary ireo pejim-pivarotana
Efa nisy ihany koa ny tranga fampiasana sarin’ny Pejin’olona hafa hampiasain’ny hafa. Ka sary iray ihany no varotana kanefa tsy mitovy ny vidiny ny entana misoratra. Hany ka lasa mieritreritra ny mpividy amin’ny sadan’ny entana.
- Tsy matotra ny olona hividy
Rehefa matotra indray ny mpivarotra dia ny olona sasany izay eo amin’ny tambanjotra no mananihany ka mandrebireby ny mpivarotra fotsiny. Mandefa hafatra izy ohatra fa ho alainy ilay entana, rehefa avy eo vonoiny ny findainy na tsy hita ao amin’ny hafatra miafina izy fa efa nivoaka. Hany ka very fotoana fotsiny ny mpivarotra.
- Misy ny misoloky amin’ny varotra izay atao
Ny ratsy dia tsy kely lalana ka betsaka ny olona voafitaka amin’ny fividianana entana amin’ny facebook. Ny tena mitranga matetika dia ilay mpividy ivelan’ilay toerana misy ilay mpivarotra ka mifanaraka fa mandefa vola ilay mpividy ary mandefa entana amin’ny taxi-brousse ilay mpivarotra. Nefa indraindray dia tsy mandefa ilay milaza fa mpivarotra rehefa voarainy ny vola.
Tsy ireo ihany ny olana misy eo anivon’io resaka varotra eo anivon’ny facebook io, fa mbola misy hafa ihany koa. Fa ireo no olana tena mitranga matetika. Mila mitandrina isika mampiasa itony tambanjotra itony. Aza sodokan’ny hatsaran’ny entana, fa manaovana fandinihina tsara vao mividy.