Sary maro no niparitaka tamin’ny tambanjotra sosialy facebook nanoloana ny tranga nisy teny Ambohibao. Tokony teo amin’ny 10 ora maraina ny alakamisy 17 aogositra 2017 dia very ny labiera maro avy tao anatin’ny fiarabe iray. Nameno ny arabe ireo labiera very. Ary sahàla amin’izany koa ny sary teo amin’ny facebook. Toy izao no netin’ireo mampiasa ity tambanjotra ity nampita iny tranga teny Ambohibao iny.